1 Teo am-pandriako nony alina dia nitady ilay tian'ny fanahiko aho; Nitady azy aho, fa tsy nahita azy.

2 Dia hoy izaho: Hifoha aho ka handeha eo an-tanna, Dia eny an-dlambe sy eny an-kalalahana, Hitady ilay tian'ny fanahiko. Eny, nitady azy aho, nefa tsy nahita azy.

3 Hitan'ny antily izay mandehandeha eny an-tanna aho; Dia hoy izaho: Sao mba hitanareo lahy ilay tian'ny fanahiko iny ?

4 Nony vao nandalo ireo vetivety foana aho, Dia hitako ilay tian'ny fanahiko, Ka nohazoniko izy, fa tsy navelako handeha, Mandra-pitondrako azy ho any an-tranon'ineny, Dia any amin'ny efi-tranon'ilay niteraka ahy.

5 Mampianiana anareo amin'ny gazela na amin'ny dieravavy any an-tsaha aho, ry zanakavavin'i Jerosalema; Aza manaitra na mamoha ny fitiavana, raha tsy efa sitrapony.

6 Iza moa iry vehivavy miakatra avy any an-efitra, Tahaka ny setroka mitankosina, Sady tsara fofona amin'ny miora sy ny ditin-kazo mani-pofona Mbamin'ny vovoka manitra samy hafa entin'ny mpandranto ?

7 Indro ny filanjan'i Solomona! Lehilahy enim-polo, mahery avokoa, Avy amin'ny lehilahy mahery amin'ny Isiraely, no manotrona azy.

8 An-tsabatra avokoa izy rehetra sady mahay miady, Samy mitondra ny sabany eo am-balahany avy Noho ny tahotra amin'ny alina.

9 Nanao filanjana ho azy Solomona mpanjaka Tamin'ny hazo avy any Libanona:

10 Volafotsy no nataony andriny,Ary volamena ny fiankinana, volomparasy ny ondany, Ny ao anatiny voaravaka amin'ny fanomezam-pitiavana Avy tamin'ny zanakavavin'i Jerosalema.

11 Mivoaha, ry zanakavavin'i Ziona, Ka mijere an'i Solomona mpanjaka, Misatroka ilay satroboninahitra nasatro-dreniny azy Tamin'ny andro nampakarany vady, Dia tamin'ny andro nifalian'ny fony.
